- Publicité -
dimanche, février 1, 2026
AccueilFaits-DiversAntsalova : Dahalo 9 lahy sy mpimasy roa, tratra niaraka tamin’ny basy miisa...

Antsalova : Dahalo 9 lahy sy mpimasy roa, tratra niaraka tamin’ny basy miisa telo sy bala maromaro

Dahalo sivy lahy nitondra basy vita gasy telo niaraka tamin’ny bala ary ody gasy sy mohara maro no tratran’ny Zandary tao Ambalakaza, Kaominina ambanivohitra Bekopaka, distrikan’ Antsalova, afak’omaly. Raha ny vaovao voaray, olona eo an-tanàna ihany ny roa lahy tamin’ireto olon-dratsy azo sambo-belona, izay voalaza fa dadarabe naniraka an’ireto dahalo mpanao fanafihana. Raha ny fantatra, mbola variana teo am-pijerena sikidy tao an-tranony ireto ombiasy roa lahy ireto no voasambotra niaraka tamin’ny dahalo vitsivitsy. Noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao marim-pototra ny Zandary no nahazoana izao vokatra izao. Aorian’ny fanadihadiana lalina tsy maintsy hatao, dia hatolotra ny Fampanaovana ao Maintirano izy 11 lahy tratra ireto.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter