Mirongotra ny asan-dahalo any amin’ny disitrikan’ Antsalova, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Tato anatin’ny roa andro monja, dia efa omby mahery ny 30 teo no lasan’ny jiolahy mirongo fiadiana, araka ny fanazavana azo. Omaly, dahalo teo amin’ny fito teo mirongo basy, no niditra an-keriny tao amin’ny tanàna iray tany Antsalova hatrany. Nirefodrefotra ny basy, ka natahotra izany avokoa ireo fokonolona ka tsy nisy sahy nivoaka. Nanaraoraotra an’izany ireo dahalo ireo ka nitondra ny omby rehetra tao amin’ilay tanàna. Nisy teo amin’ny 20 teo ho eo no isan’ireo omby lasan’ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny fanarahan-dia ataon’ireo fokonolona niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, raha ny vaovao voaray hatrany. Fa mbola tany amin’iny distrika iny ihany, ny alatsinainy lasa teo, nanararaotra ny oram-be mikija ireo dahalo ka namoaka ireo omby rehetra tao am-bala, tamina tanàna maromaro tany an-toerana. Tsy henon’ny tompon’omby mihitsy araka izany ny famoahan’ireo olon-dratsy ny omby, raha tsy ny maraina sy efa mitsahatra kely ny orana fa hita fa nanjavona avokoa ireo omby. Araka ny voalazan’ireo mponina any an-toerana dia manano sarotra tokoa ny fanarahan-dia nony avy eo. Efa voafafan’ny orana mantsy ireo dian’omby.
Fa mbola nitrangana fanafihan-dahalo ihany koa ny tany amin’ny distrikan’i BeloTsiribihana ny alahady hariva teo. Dahalo valo lahy mirongo basy sy zavamaranitra no nanafika tokantrano iray tao Berevo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby valo. Tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy, raha ny fampitam-baovao azo. Efa manao ny fanarahan-dia ireo fokonolona miaraka amin’ny zandary any an-toerana, manaraka ireo dian’omby miankandrefana.
m.L