Ny hazo avo halan-drivotra, hoy ny fitenenana. Satria nitondra ny fandriam-pahalemana teo amin’ny faritra nisy azy, tamin’ny maha-mpitandro ny filaminana azy, ny solom-bavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Antsalova, Atoa Velomahazo Patrice, ary mbola manohy mametraka izany hatrany, amin’ny izao maha olom-boafidy azy izao indray. Voalaza anefa fa misy andian’olona tsy dia mifankahazo loatra amin’ity olomboafidy ity, manaratsy sy manely tsaho etsy sy eroa, ary ny tena loza dia mikasa ny hifofo ny ainy mihitsy. Fantatra mantsy fa volana vitsivitsy lasa izay no nisy nikasa hamono sy hitifitra izany olomboafidy izany. « Ny zava-nisy marina dia tamin’ny volana may 2021 lasa teo, nisy dahalo nokaramaina hitifitra ny depiote Patrice. Tsy nahazo azy anefa ity farany satria tsy tao Antsalova Ingahy depiote fa mbola tany amin’ny fokontany atao hoe Soatana, kaominina Trangahy. Tsy vita ilay fikasan-dratsy ka niverina tany amin’ilay naniraka azy ireto dahalo », hoy ny fanazavana azo. Efa nisy ny fitoriana napetrak’ity mpitandro filaminana am-perinasa sady olomboafidy ity, teny anivon’ny zandary ary efa nosamborina ilay olona noahiahina ho naniraka ireto dahalo ireto. Nidiran’ireo olobe teo an-tanàna anefa ny raharaha ary natao raharaham-pihavanana teo amin’ny roa tonta rehefa nisy ny fanelanelanana natao, narahina fombafomba sy famonoana omby. Taty aoriana, nivadika indray ny raharaha, satria voalaza fa noteren’Ingahy depiote sy natao an-tery handoa vola io mpifanandrina taminy io, raha ny vaovao azo. Marihina moa fa mety ho disadisa ara-politika sy mety ho alahelon-toerana no niantombohan’izao tranga izao, satria dia voalaza fa olona mpifanandrina tamin’ity olomboafidy ity ihany, tamin’ny fifidianana ho solombavambahoaka farany teo ary nirotsaka ho ben’ny tanàna tao an-toerana indray ity olona mitady izay fomba rehetra entina manohitra sy mandoto sy manaratsy ity depiote am-perinasa ity, raha ny vaovao azo hatrany.
Nangonin’i m.L