- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsalova : Fanafihan-dahalo, mpanara-dia iray maty, zandary iray naratra

Antsalova : Fanafihan-dahalo, mpanara-dia iray maty, zandary iray naratra

Ny marain’ny talata lasa teo dia nivaivay ny fifandonana raha nifanehatra teo amin’ny kizo iray tao Mangatoka, any amin’iny distrik’Antsalova iny, ireo dahalo am-polony maro sy ireo mpanara-dia niaraka tamin’ny zandary. Tamin’izay fotoana izay no nahalavo ny iray tamin’ireo fokonolona nanara-dia, ary mpitandro filaminana iray kosa no naratra, vokatry ny tifitra variraraka nataon’ireo olon-dratsy.

Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata io mantsy dia nitrangan’ny fanafihan-dahalo tao amin’ny tanàna iray tao Ampandramamy, ao amin’ny fokontany Ambalakazaha, distrikan’Antsalova. Olon-dratsy maromaro nirongo fiadiana no naka omby teo amin’ny 20 teo ho eo. Taorian’io ihany dia niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona, niaraka tamin’ny zandary sy polisy. Nisy ihany koa ny fampandrenesana natao tamin’ireo tobin’ny zandary manodidina, hiambenana ireo kizo sy lalana mety handehanan’ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana niambina kizo ireo olon-dratsy. Velona teo ny fifampitifirana. Mbola tsy azo teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ihany anefa ny omby. Tao anatin’izay fotoana izay, nitohy ihany koa ny fizotran’ireo mpanara-dia ary tsy ela dia nifankatratra ny roa tonta. Saingy voalaza fa tafiditra tao anatin’ny vela-pandrik’ireo olon-dratsy izy ireo, noho ny toerana somary anaty ala. Norarafan’ireo dahalo ny bala avy hatrany izy ireo, ka tamin’io fotoana io no nahafaty ny iray tamin’ireo olona nanara-dia ary namparatra ilay zandary iray. Voatery novonjena haingana moa ity farany ary nentina nihazo ny toeram-pitsaboana tany Maintirano fa tsy vita tao Antsalova. Nentina nihazo an’Antseranandaka kosa ny vatana mangatsiakan’ity mpanara-dia lavo ity ary nomena ny fianakaviany. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo olon-dratsy any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici