- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Jiolahy tafatsoaka tao amin’ny tobin’ny zandary, mpitandro filaminana iray naratra

Antsalova : Jiolahy tafatsoaka tao amin’ny tobin’ny zandary, mpitandro filaminana iray naratra

Fahasahiana mihoapampana ny an’ity lehilahy iray voatazona tao amin’ny biraon’ny zandary tao amin’ny tobim-paritra Antsalova ny alatsinainy lasa teo. Vitan’ingahirainy tsara mantsy ny nitsoaka teo ambany mason’ireo mpitandro filaminana. Tsy vitan’izay fa tao anatin’izay fitsoahana izay dia fantatra fa hoe nisy zandary iray naratra nisy nidaroka.

Voalaza fa mbola nifatotra rojovy ity lehilahy ity io tafaporitsaka io ary handeha hanenjika azy ilay zandary iray, izay mbola mpiana-draharaha no nisy nidaroka tao anaty maizina. Raha ny angom-baovao azo dia voarohirohy tamin’ny resaka halatra omby tany any amin’iny faritra iny ity lehilahy ity. Nosamborina sy natao famotorana. Nisy aretina nahazo azy anefa ka tsy maintsy nalefa notsaboina aloha. Avy nanaraka izany fitsaboan-tena izany izy ary niandry ny fanolorana ny raharaha nahavoarohirohy teny anivon’ny Fampanoavana izao tafatsoaka izao. Ny fampitam-baovao hatrany no nahafantarana fa nilaza ny handeha hivalan-drano ilay lehilahy kanefa nanararaotra ny fahamaizinan’ny andro nitsoahana. Niezaka nanenjika azy ilay mpiana-draharaha saingy toa hoe nisy olon-kafa avy tao anaty haizina ihany koa nidaroka ity farany. Naratra mafy ity mpitandro filaminana ity, saingy mbola afaka niantso vonjy, nialoha ny tsy nahatsiarovany tena intsony. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity olon-dratsy tafatsoaka ity ary izay mety ho nahavita namono ilay zandary any an-toerana. Ity farany moa dia nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici