- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Maty notifirin’ny dahalo izy mianaka

Antsalova : Maty notifirin’ny dahalo izy mianaka

Olona roa mpianaka, no maty tsy tra-drano ary telo hafa mbola miady amin’ny fahafatesana ankehitriny. Tao amin’ny fokontany Ambolatera, ao Antsalova no nitranga ity herisetran’ny dahalo ity. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva, ny alarobia teo no nanao amboletra niditra tao amin’ny tokantrano iray ny dahalo marobe izay mitam-basy. Tsy nisalasala ireo farany ny nampiasa ny basiny ary nitifitra avy hatrany. Ireo mpianaka no voa voalohany ary avy hatrany dia maty teo an-toerana ihany. Tsy nijanona tamin’izay ny habibian’ireo jiolahy izay mbola nitohy nitifitra na efa nahita aza fa nisy namoy aina ireo tsy manan-tsiny voan’ny bala. Telo hafa indray no naratra mafy taorian’izay tifitifitra tsy an-kijanona izay. Tsy mbola alim-be akory no nitranga ny fanafihana, satria mbola misy olona miriaria teo amin’ny fokontany. Vao naheno ny feom-basy anefa ireo, dia nanapa-kevitry ny niafina avokoa aloha. Ny maraina vao nanomboka ny fanarahan-dia, raha araka ny fanazavan’ny olona izay naharaka ny zava-misy tao an-toerana. Ao an-toerana dia efa nampiana  isa ny mpitandro ny filaminana. Nahatohina ny fokonolona ihany, ny tsy fisian’ny fanenjehana avy hatrany, hany ka vao maraina dia nanapoaka sarom-bilany ny olona mba ho fanairana ny rehetra hanatontosa an’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici