Milaza izy, fa miaramila ary mahavita mampiditra olona eo anivon’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io. Betsaka ny olona efa nahazoany volabe avy amin’io fisandohana andraikitra entina manao asa fisolokiana io. Rehefa azony ny volan’olona, dia manjavona tsy hita eo amin’ny tanàna intsony izy. Lehilahy mbola tanora, 24 taona, ary manana fanamiana miaramila izay nanaovany matetika no tompon’antoka tamin’ity asaratsy ity. Tonga teny anivon’ny kaomisarian’ny polisy ao Antsalova, distrikan’i Melaky, ny fitarainan’ny olona izay nangalany vola. Nisokatra nanomboka teo ny fanadihadiana ary natao ny fikarohana azy. Voasambotra ihany ary rehefa vita ny fakàna am-bavany azy, dia natolotra ny fampanoavana tao Maintirano ary nidoboka am-ponja vonjimaika. Tsy voalohany no nisy tranga toy izao ary matetika, dia nahazo volabe hatrany ny mpisandoka andraikitra vao voasambotra. Mora roboka ny olona noho ny kolikoly izay efa lasa mitady ho kolontsaina iray hafa mihitsy eto amin’ny fiarahamonina malagasy. Raha tsiahivina, dia mbola misy komisera iray koa nidoboka am-ponja amin’izao fotoana izao, ary hotsaraina amin’ny tapak’ity volana ity. Io indray dia tsy nisandoka andraikitra, fa kosa nilaza amin’olona ho mahavita zavatra ary dia marobe ny notangosany vola. Mitovitovy amin’ny voatantara etsy ambony ihany ny fomba fiadin’ireo mpisoloky, indrindra rehefa nilaza ireo, fa mahavita mampiditra olona ho mpitandro ny filaminana, ho mpiasam-panjakana.
D.R