- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Mirongatra ny ambalavelona, tovovavy mpianatra 18 indray voa

Antsalova : Mirongatra ny ambalavelona, tovovavy mpianatra 18 indray voa

Zazavavy mpianatra 11, iray kilasy ao amin’ny sekoly katolika ao Antsalova, no indray niara-nihetsika ambalavelona, ny zoma teo. Mbola nitohy omaly naraina tontolo, ity trangan’ aretina hafahafa ity, ka mpianatra fito hafa indray no indray voa, ary avy teo niitatra tao amin’ny kilasy fahadimy izany, ka nifamonjena sy nentina haingana nanatona ny fiangonana FLM ireo mpianatra nihizitrizitra sy nikiakiaka mba halana devoly. Manoloana ny firongatry ny ambalavelona ity, dia sahiran-tsaina noho izany ireo ray aman-dreny sy mpanabe ary ny mpitantana ny sekoly, satria efa mihamanakaiky ny fanadinana, kanefa ny zaza azon’aretina hafahafa. Raha ny tati-baovao voaray avy tany an-toerana, dia matanjaka dia matanjaka tsy tana ary mihinjakinjaka sy mikiakiaka ireo voa. Efa manao famotorana mikasika ity tranga ity ny Polisy sy ny tompon’andraikitra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana  any Antsalova.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici