Nisehoana asan-dahalo tany Soatana Antsalova, omaly maraina tokony tamin’ny 1 ora. Dahalo dimy nirongo basy niditra tao amin’ny « campement Ankilimaro », fokontany Soatana kaominina Trangahy. Nentin’ireo dahalo ny lehilahy iray 51 taona monina ao Ankilimaro io ihany ary mbola tsy naverina hatramin’ny omaly. Very tamin’izany ny findany, kojakojan-dakozia, lamba fitafy isan-kazazany. Nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona ny zandary. Nianan’atsimo ny dian’ireo dahalo nihazo ny vavarano, ary efa nisy ny fiantsoana hery fanampiny. Mahazo vahana ny fakan’ny dahalo an-keriny amin’izao fotoana izao. Niitatra amin’ny faritra hafa raha nahazo vahana izany tany amin’ny distrik’Anjorobe sy Ambatondrazaka. Matetika avotsitr’ireo dahalo ihany ireny olona ireny rehefa lasa lavitra izy ireo. Ataony takalonaina miantoka ny fitsoahan’izy ireo. Indraindray kosa anefa dia misy ny fitakiana vola amin’izany. Efa manao ny ezaka rehetra ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Yv Sam