- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany, nalain’ny dahalo an-keriny

Antsalova : Renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany, nalain’ny dahalo an-keriny

Toy ny any amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy, isan’ny mikaikaika amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, indrindra fa amin’ny resaka dahalo, ny amin’iny distrika Antsalova iny. Ny alahady teo fotsiny dia fantatra araka ny fampitam-baovao azo fa renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany no nentin’ny dahalo natao takalon’aina. Tsy vitan’izay fa mbola nisy aina dimy be izao nafoy. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tany an-toerana, tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny fito ora maraina teo ho eo. Am-polony any ho any ireo olon-dratsy izay mirongo basy sy zava-maranitra. Tsy nisy alaharo alaharo avy amin’ireo dahalo tamin’ny fidirany tao an-tanana fa avy hatrany dia ny basy no nampiresahany. Nirefodrefotra sy nanakoako eran’ny tanana ny feom-basy. Tamin’izany no voalaza fa nahafaty ireo olona dimy tamin’ireo mponina, izay voatifitra. Amin’ny toe-javatra tahaka itony dia samy mitsoaka mamonjy ny ainy any an-dohasaha na anaty ala avokoa ny mponina raha antoandro ilay fanafihana. Samy miery any an-tranony kosa raha amin’ny alina. Tsy misy sahy mifanehatra amin’ireo andian-dahalo. Hany ka manao izay danin’ny kibony ireo malaso. Tamin’ity nitranga tany an-toerana ity anefa dia tsy nionona intsony tamin’ny omby tany am-bala izy, fa nitondra takalon’aina ihany koa. Taorian’ny fanafihana moa dia efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana, ary tonga tany an-toerana sy nanantanteraka avy hatrany ny fanaharan-dia, nampian’ireo vatan-dehilahy tamin’ireo fokonolona.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici