- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Tapaka ny lalana, tsy mandeha ny jiron’ny Jirama, midangana ny...

Antsalova : Tapaka ny lalana, tsy mandeha ny jiron’ny Jirama, midangana ny vidim-bary sy PPN

Noho ny fahatapahan’ny lalana vokatry ny fiakaran’ny rano amin’izao fotoam-pahavaratra mahabe orana izao, dia mitoka-monina tsy afaka mifamevivezy intsony any amin’ny distrika hafa ny mponina ao anatin’ny distrikan’ Antsalova, faritra Melaky, izay miaina anaty fahasahiranana tanteraka ankehitriny. Lalana 120 km monja kanefa andro maromaro vao tonga any an-toerana, ary tafakatra valo alina ariary ny saran-dalana amin’izao. Mampikaikaika ny vahoaka ihany koa ny fiakaram-bidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, sy ny fidangan’ny vidim-bary izay tsy mitsaha-mitombo, 700 ariary ny iray kapoaka, ka tsy takatry fahefam-bidin’ny ankamaroan’ny olona intsony.

Noho ny fahasimban’ny milina mpamokatra herinaratry ny Jirama, nanomboka afak’omaly tolakandro, dia miaina ao anaty haizin’ny tsy fisian-jiro tanteraka ny mponina mitebiteby lava. Araka ny tati-baovao voaray, ny fahanteran’ny fitaovana no miteraka ny fahatapahan-jiro lava any an-toerana. Raha tsiahivina, taorian’ny fanamboarana ny gropy izay simba, ny 17 janoary lasa teo. 11 andro taorian’izay vao niverina kely ny famatsiana herinanatra, nefa efatra andro monja taorian’io fahavitana io indray dia izao mitranga izao indray ny fahasimbana, ary hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, tsy mbola niverina mandeha ny herinaratra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici