Tonga eto Antananarivo ny solotenan’ny mponina, tarihin’ny raiamandreny eo an-tanàna avy any amin’ny fokontany Antsalova, kaominina Antsalova, distrik’Antsalova, noho ny fitoriana ny depiote avy any an-toerana sy ny lehiben’ny zandary. Araka ny fanazavan’ireo olona ireo dia nametraka fitoriana teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, nametraka fitarainana eny amin’ny Praiminisitra aty eo anivon’ny SEG ireto olona ireto, noho ny resaka kolikoly sy ny fanerena olona handoa vola amin’izy ireo. Voalaza fa olona 16 no efa nanaovan’izy ireo fanerena hakana vola ary efa tafakatra 112 tapitrisa Ar izany. Anisan’ny nangalana vola mitentina 7 tapitrisa Ar ny raiamndreny to teny ao an-tanana noho ny raharaha filazana fa amotsorana olona voatana ao amin’ny zandary. « Nisy ny vola 4 tapitrisa Ar nalefa tamin’ny finday ho an’ny depiote sy ny lehiben’ny zandary ny 24 may lasa teo, ka io no anaovana fanadihadiana amin’izao fotoana izao ahitana ny porofo ny amin’ny fisian’ny olona nakana vola. Teo ihany koa ny fakana vola 3 tapitrisa Ar izay nisy vavolombelona nandrasaina azy. », hoy ireto mpitory. Raha ny fanazavan’ireto olona ireo ihany, nisy ny fitazonana ilay raiamandreny nangalana vola io, ary navotsotra rehefa nahazo vola. Trangan-javatra miseho any amin’ny faritra ny fanamparam-pahefana amin’ny endriny rehetra. Eo ihany koa ny mety tsy fifankahazoana miseho amin’ny vahoaka sy ny manam-pahefana. Miandry ny fanadihadiana ny rehetra mba hampazava ny raharaha sy ny sain’ny vahoaka satria toe-javatra mety hitarika korontana ny toy izao raha tsy voalamina.
Yv Sam