Tranga tsy nampoizina no niseho, omaly naraina tao amin’ny ivon-toeram-panadinana ao amin’ny CEG Antsalova. Tovovavikely iray niatrika fanadinana CEPE tamin’io toerana io, no nihetsika aretina hafahafa voalaza ho “ambalavelona”. Efa tafiditra tao anatin’ny efitrano ary efa miatrika ny laza adina ity zazavavy ity no avy hatrany dia nihetsika ambalavelona. Tao anatin’ilay fotoana nangina be iny indrindra no fantatra fa nitsamboatra sy nikiaka mafy tampoka izy, nihinjitrinjitra be tsy tana ary nitady làlana nivoahana ny efitrano, saingy nifampitazonan’ireo mpampianatra lehilahy, hoy tati-baovao voaray. Nanoloana an’io trangan-javatra hafahafa niseho io, dia voatery navoaka ny efitrano fanadinana haingana ity ankizy ity mba tsy hanelingelina ireo namany, ary tsy maintsy nalefa nody teo noho eo ihany koa, ka tsy afaka nanohy ny fanadinana intsony. Tamin’ny ora nanoratana ny lahatsorotra ity, araka ny tati-baovao azo farany tamin’ny tomponandraikitra any an-toerana, dia mbola manaraka fitsaboana ity mpianatra tratry ny ambalavelona ity.
Eric Manitrisa