- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalovana- Antohomadinika : Roalahy niady, maty voatsatoka angady ny iray

Antsalovana- Antohomadinika : Roalahy niady, maty voatsatoka angady ny iray

Raikitra ny ady teo amin’ireo mpirahalahy am-panambadiana, teny Antsalova Antohomadinika. Vokany, maty voatsatoka angady teo amin’ny lohany ny iray. Izay fototra nahatonga ity ady ity tsy dia fantatra loatra fa araka ny vaovao voaray, mamomamo ny iray. Rehefa voan’ny angady ny iray dia noezahina nentina teny amin’ny hopitaly Ampefiloha ho tsaboina, tsy tana ihany anefa ny ainy, omaly. Maro dia maro ny tranga ohatra an’izao, indrindra rehefa mahazo toaka kely ny sasany. Manao ny zavatra tsy tokony hatao avy eo. Rehefa misava anefa ny alikaola, manenina. Ohatra an’izany izay niseho tao anaty trano fisotroana iray tany Toliara. Resaka vehivavy no nahatonga ny rombo, herinandro roa lasa izay. Telo ny olona naratra. Rehefa niakatra ny feo, samy tsy nahatanty ny andaniny sy ny ankilany. Niafara tamin’ny vely tavoahangy izany ary nisy ny naratra mafy tokoa.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser