Omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any, mpivarotra mpamongady iray no lasibatry ny andian-jiolahy voalaza fa efatra. Avy hatrany dia notifirin’ireo olon-dratsy teo amin’ny lamosiny ilay mpivarotra. Rehefa izany, dia nalain’izy ireo ny sakaosy nisy ny vola teny aminy. Raha vao nahazo izany ry zalahy, dia lasa nandositra tany amin’ny elakelantrano marobe eny Antsalovana Antohomadinika. Naratra mafy ilay tompon’ny tsena ary be dia be ny rà very nitakosina teo amin’ny toerana nahavoa azy. Tonga dia nentina haingana tany amin’ny hopitaly moa ity olona ity. Araka ny loharanom-baovao fantatra avy eny amin’ny HJRA anefa, namoy ny ainy ity olona voatifitra ity. Lehilahy teraka tamin’ny taona 1970 izy io. Teo ambany heliny no niditra ny bala ary nivoaka teo amin’ny sorony.
Handeha hody. Omaly hariva io, avy nanidy tsena ilay rangahy ary nikasa ny hody ao an-tranony. Tsy lavitra ny trano fonenany fa eo am-pitan’ny tsenany ihany. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nisy bandy efatra nanaraka azy ary nitifitra avy hatrany. Ireo nahita ny fandehan-javatra teny an-toerana no nilaza, fa ny iray tamin’ireo jiolahy, lava ranjanana no nitifitra sy naka ny sakaosy teny amin’ity olona ity. Tany amin’io olona io ny basy nampiasaina. Samy sy nisy nisaraon-tava ireo mpanafika na izany aza anefa, nanao « casquette » daholo ry zalahy. Tsy lavitra ny fiantsonan’ny fiara mandeha any Mahitsy no niseho ny fanafihana. Feno rà ny làlana. Mbola feno olona ny arabe tamin’io ora nisehoan’ny famonoana olona io. Izany no nohararaotin’ireo bandy nandosirana. Nahazo filazana ny polisy ary tonga teny an-toerana avokoa ny avy ao amin’ny kaomisaria 67 Ha, ny polisy avy ao Antsalovana ary ny avy eo Tsaralalana. Nohidina avokoa ny sampanan-dàlana rehetra. Tsy nahitana vokany anefa izany, hoy hatrany ny vaovao. Heverina, hoy ny mpitandro filaminana fa niery tsy lavitra ny toerana nanafihany ireo jiolahy ary tsy nihetsika tao.
r.s.