- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalovana : Mpamongady saika voatafika, maty voatifitra ny jiolahy iray

Antsalovana : Mpamongady saika voatafika, maty voatifitra ny jiolahy iray

Efa teo am-piomankomanana ny hanafika tranombarotra iray, mpamongady teny amin’iny faritra 67Ha iny mihitsy ireto andian’olon-dratsy ireto no tonga ny polisy. Raikitra ny ankisambotra ka iray tamin’izy ireo no voapaingotra. Saika mbola handeha hitsoaka kanjo voatifitra.

Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo, nahazo antso ny teo anivon’ny kaomisaria foibe, tetsy Tsaralalàna ny amin’ny fisiana andian’olona maromaro hafahafa fihetsika teny amin’iny faritra Antsalovana, 67Ha iny. Naniraka avy hatrany ny hery vonjy taitrany kaomisaria (UIR) ny tompon’andriakitra hilatsaka eny an-toerana hanao savahao ny manodidina. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina tany ho any, araka ny vaovao no nifanehatra tamin’ireo farany tokoa izy ireo. Raikitra ny fifanjehana ka nisy iray tamin’ireo no voasambotra. Jiolahy iray, efa tsy zoviana intsony amin’ireo mpitandro filaminana noho izy ity mpamerin-keloka foana amin’ny resaka halatra, sy fanendahana mitam-piadiana, fantatra amin’ny petak’anarana hoe « Ndaty ». Rehefa voasambotra io dia nilaza fa hanoro ny toerana niafanen’ireo namany, izay tafaporitsaka. Mazava ho azy fa tetika handosirana ny an’Ingahy, rehefa tojo elakelan-trano izy. « Vao mainka aza izy nanaitra ireo namany ary velona teo ny fifampitifirana », hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Tao anatin’izay no nahavoa an’Ing Ndaty. « Naratra noho ny tifitra nandritra ny fifandonana ity jiolahy manana solon’anarana hoe « Ndaty  » ity ka maty vokatry ny ratra nahazo azy. Antsy lava lela roa sy basy iray no tratra teny an-toerana », araka ny fampahafantarana nataon’ny pôlisy hatrany.

Niakatra teo araka izany ny soratra ho an’Ing Ndaty. Mbola manohy ny sahavao sy fikarohana ireo namany ny pôlisy hatramin’izao eny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici