- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalovana : Voasambotra ireo mpirahalahy nanendaka Sinoa

Antsalovana : Voasambotra ireo mpirahalahy nanendaka Sinoa

Tovolahy roa antsoina hoe Elodie (20 taona) sy Romeo (18 taona) no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Paositra Antaniavo teny Antsalovana, ny sabotsy lasa teo. Araka ny fanazavana dia voalaza fa ireto jiolahy ireto dia nanendaka sinoa lahy iray teny amin’iny faritra iny, ny harivan’ny alakamisy 26 aprily. Voaroba tamin’i’zany ny findain’ity farany ka nahatonga azy nametraka fitarainana tao amin’ny polisy. Natao ary ny fanadihadiana ka vaovao avy tamin’olona tsara sitrapo no nahafantarana, fa  i Elodie sy Romeo no nahavanon-doza sy nahitana ny toeram-ponenan’izy ireo. Tsy tratra tao an-tranony anefa ireto farany rehefa nidina teny ny polisy. Tsy nitsahatra teo  ireo mpitandro ny filaminana, fa nanohy ny fikarohana hatrany. Nisy ny vela-pandrika natao ka ny asabotsy 28 aprily 2018 tamin’ny 8 ora maraina izy ireo no voasambotra teo Antsalovana. Fantatra tamin’izany, fa mpirahalahy izy ireo ary efa voarohirohy tamina resaka fanendahana maro niseho teo amin’ny faritra Boulevard de l’Europe eny Antsalovana iny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici