Ny asabotsy faha 26 aprily taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny enina ora hariva dia saron’ireo zandary niisa telolahy miasa any amin’ny zana-tobim-paritra Mahazomà nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo ny rongony milanja 213kg, amin’ny gony niisa valo. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa manatanteraka fisafoana isaky ny hariva hatramin’ny maraina ny andro ny zandarimariam-pirenena, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna mba hisorohana mialoha ny trangana tsy fandriam-pahalemana, ary tamin’izay indrindra no nahatsikaritra lehilahy niisa telo ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny fokontan’Antsampamahazo, ka nitsoaka nandositra ireto farany rehefa nahatazana azy ireo. Taitra ihany ny zandary raha nahita ny fihetsika niseho sy ny gonim-bary napetraka amin’ny tany. Nosavaina avy hatrany ilay rongony niisa valo, saingy feno rongony hatrany. Taorian’izay dia nogiazinn’ny zandary ny rongony milanja 213kg, ary miandry ny dingana ara-pitsarana ihany koa mba hafahana mandoro izany. Araka ny loharanom-bavaova marim-pototra tamin’olona tsara sitra-po dia avy any amin’iny disitrikan’i Kandreho iny ry zalahy telolahy nitondra rongony nitsoaka ireto no mitohy tsy misy hataka andro kosa ny fikarohana ataon’ny zandary any an-toerana, ho an’izy telolahy.
Ratantely