- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAntsampanimahazo : Mpivarotra entamadinika notafihan’ny jiolahy, very ny 12 tapitrisa

Antsampanimahazo : Mpivarotra entamadinika notafihan’ny jiolahy, very ny 12 tapitrisa

Nisehoana fanafihan-jiolahy tao an-tanànan’Antsampanimahazo Antsirabe II amin’ny lalam-pirenena fahafito iny  ny alahady 12 janoary teo. Jiolahy 12 lahy mirongo fitaovam-piadiana no tonga nanafika toeram-pivarotana iray. Ankeviny efa fantatr’ireo jiolahy ihany ny fisian’ny vola tao amin’ity toerana ity. Araka ny fantatra mantsy dia vola maty nandritra ny faran’ny herinandro teo no najifan’ireo jiolahy. Andro tsy fisokafan’ny banky rahateo ny asabotsy ka voatery notazonin’ny tompon-trano ny vola izay  nokasaina apetraka ao amin’ny banky omaly alatsinainy. Antsy lava sy “barre à mine” no fitaovana nentin’ireo jiolahy. Nopoiriny tamin’izany ny varavarana ka vantany vao tafiditra ry zalahy dia ny vola no notakiany avy hatrany. Nikasa handositra teo amin’ny varavarankely  ilay tompon-trano niaraka tamin’ny “sac banane” nisy ny vola,saingy tsikariny fa efa misy jiolahy hafa miandry eo ambany varavarankely,izay misy tafontrano hafa ihany koa an’ny mpifanila vodirindrina aminy, izany hoe efa voahodidina ny trano fonenany. Tsy nisy hirika azo nitsoahana intsony, fa nanaiky izay nolazain’ireo jiolahy sisa natao. Daroka avy hatrany no niantefa tamin’ilay tompon-trano, ireo vady aman-janany kosa nasaina nihohoka tamin’ny tany mba tsy hahita ny endrik’ireo jiolahy. Vola  2.500.000 ariary no tao anatin’ilay “sac banane” .Ankoatra izay, noraofin’ireo jiolahy ihany koa ny fahana finday  rehetra tao anaty “vitrine” . Tsy naka entana hafa  izy ireo fa rehefa izany dia nitsoaka nandositra ry zalahy. Tsikaritry ny teo amin’ny manodidina  fa mitovy avokoa ny akanjo nanaovan’ireo olon-dratsy  tsy misaron-tava ry zalahy  ary saika mitovy avokoa ny fomba fiteniny.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser