- Publicité SW45 -
mercredi, février 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsampanimahazo : Raim-pianakaviana tratra nanolana vehivavy tsy salama saina sy vatana

Antsampanimahazo : Raim-pianakaviana tratra nanolana vehivavy tsy salama saina sy vatana

Tsy valahara tanteraka ! Nihanika tongon-davarangana mihitsy ingahirainy, mba ho ao amin’ilay efitra nisy ity vehivavy manana fahasembanana ity, rehefa fantany fa tsy nisy olona tao. Nanamparany ny filàny tao ilay lasibatra ary tsy niala tao ingahy raha tsy vita ny nataony. Tranga niseho tao amin’ny kaominina Antsampanimahazo, distrikan’i Faratsiho ny taom-baovao lasa teo.

Vehivavy iray manana fahasembanana ara-tsaina sy ara-batana, 31 taona, no niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’ny raim-pianakaviana iray, izay mpiray monina aminy ihany. Raha ny fampitam-baovao azo dia ankevitry ny efa notiliany fatratra ity vehivavy ity, izay miara-monina amin’ny reniny. Nandrasany fotsiny ny tsy nahateo ity farany ary notongavany tao an-trano tamin’izay. Tamin’io andro io, dia nandeha niantsena teny Antsampanimahazo ilay reniny ary najanony irery tao ilay zanany ary nohidiana ny varavarana. Nahitan-drangahy fika ihany anefa ny niakarana tao an-trano satria nihanika irony tongon-davarangana irony izy ary tafiditra.

Hatairana tokoa ny an’ity reniny rehefa tonga tao an-trano, raha nahita ilay zanany miboridana tanteraka ny tapany ambany ary nisolitaka ny herisetra ara-nofo natao taminy ny tapany ambany. Nitantara ny nanjo azy rahateo ilay lasibatra ka fantatra tamin’izay ny mpanolana. Nametraka fitoriana avy hatrany ny renin’ity vehivavy ity ary niroso tamin’ny fisamborana ilay tsy vanon-toetra ny zandary. Notanana natao andrimaso amin’ny birao ny lehilahy ary hatolotra ny Fampanoavana ao Antsirabe amin’ny anio, raha tsy misy ny fiovàna.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici