Tranga efa mateti-piseho ao amin’ny kaominina Antsoantany ny halatra omby, na ilay antsoina hoe rainizavona. Efa saika tapitra tsikelikely lasan’ny jiolahy ireo omby fiompin’ny tantsaha, hatramin’ny ombin-tsarety sy ny omby vavy be ronono. Lohan’omby sy taolana vitsivitsy hatrany sisa hitan’ny olona amina toerana iray hamonon-dry zalahy ny omby ka romotra tanteraka ny vahoaka ary niafara tamin’ny tsy fahatokisana ny mpitandro filaminana intsony, satria nolazain’izy ireo fa votsotra hatrany ireo jiolahy voasambotra.
Araka ny efa notaterina teto omaly mahakasika ny fikomian’ny vahoaka tao Antsapanimahazo dia mitohy ny fisamborana ataon’ny mpitandro filaminana ka fantatra fa efa tsy latsaky ny roapolo no voasambotra ankehitriny hanaovana fanadihadihana. Raha tsiahivina fohy moa dia nifandona tamin’ny zandary ny fokonolona vokatry ny fikomiana nataon’ireo vahoaka saika hanao fitsaram-bahoaka tamina rangahy iray mpangalatra omby teo amin’ny fokontany. Vao mainka nanampy ny fahatezeran’ny fokonolona ihany koa ny fahavoazan’ny namany voatifitra nandritra ny sakoroka ka niteraka ny fanapahana ny lalam-pirenena faha7 iny. Marihina moa fa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly andranomadio ilay rangahy voatifitra ankehitriny ary tsy atahorana ny ainy. Fantatra ihany koa nandritra ny fidinana teny ifotony fa naratra mafy teo amin’ny ranjony ihany koa ny ben’ny tanàna ao Antsoantany, vokatry ny fifanosehana sy vely vodibasy nataon’ny zandary. Efa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny raharaha amin’izao fotoana, mbola tazana teny an-toerana kosa ny Emmo-reg mampandry fahalemana ny fiainan’ny vahoaka. Tsikaritra teny an-toerana ihany koa io maraina io ny solombavam-bahoakan’Antsirabe II, Randrianantenaina José, nijery ny zava-misy ifotony.
Andry N.