- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsapanimahazo : Mpangala-bary voasambotry ny zandary

Antsapanimahazo : Mpangala-bary voasambotry ny zandary

Vary 11 lasaka sy tapany, milanja manodidina ny iray taonina any ho any no saron’ny zandary tao an-tranon’izy dimy lahy ireto. Efa nataon’izy ireo avokoa izay rehetra, tsy nety nahafantarana fa vary akotry halatra anefa ity miangona ao ity. Saingy nampangain’ny fahaiza-manaon’ny zandary ry zalahy, ka tsy afa-niala.

Tranga hafakely niseho tao Antsapanimahazo, kaominina Faratsiho, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Araka ny fantatra dia efa maty paika tanteraka ny teti-dratsin-dry zalahy ireo, hangalatra ity vary mipetraka tsara ao an-tokantranon’olona ity. Dimy lahy izy ireo ary efa samy manana ny anjara asany avokoa, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary. Ny iray, mpitsongo dia ary mpanara-maso fotsiny ny tompon-trano, ny toerana alehany sy ny ora tsy maha ao an-trano azy ireo. Ny telolahy, mpanao ny opération : mpibata ireo vary tamin’ny gony sy mpandraoka sarety. Satria dia nitondràn-dry zalahy ireto sarety mihitsy ny entana ! Ary ny iray farany kosa, tompon’ny ketrika rehetra, hoy ny zandary. Atidohan’ny « opération » rehetra : mpanome baiko, ny fotoana mampety ny fika masiso rehetra.

Saika nety ! Voafaritra ny andro nanaovana ny halatra. Tamin’izay fotoana izay, dia tsy nisy olona mihitsy tao amin’ilay trano nisy ny fitehirizam-bary fa lasa namonjy fiandrasam-paty avokoa ny olona. Fotoana mety tsara, hanararaotana ny hidirana tao an-trano. Nihanika teny an-davarangana izy io, hoy hatrany ny fampitam-baovao, ary niditra tao ambany tamin’ny fitehirizam-bary. Nanokatra ny varavaran avy ao anatiny ary nivoaka nilamina, nitaona ireo vary amin’ny gony am-polony mahery. Nafatratra tao anaty sarety ary lasa.

Hagagana sy hatairana araka izany ny an’ny tompon-trano rehefa niverina avy any amin’izay nalehan’izy ireo, rehefa tsy nahita ireo vary aman-taonina maro, nanjavona tampoka teo. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny zandary ary izao niafara tamin’ny fisamborana azy dimilahy mpangala-bary izao. Efa am-panaovana famotorana azy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary heverina fa hatolotra ny Fampanoavana izy ireo aorian’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici