- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntsenakely Antsirabe : Zara raha mividy hena 250G ny olona

Antsenakely Antsirabe : Zara raha mividy hena 250G ny olona

Zary haingon-tsena sisa ireo hena varotana ( sary Andry N.)
Zary haingon-tsena sisa ireo hena varotana ( sary Andry N.)

Nihena ny fanjifan’ny olona ny hena raha ny tao Antsenakely Antsirabe no resahina, eny fa na dia tamin’ny andron’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao aza tsy nahalafo firy ny mpivarotra. Tsy manam-bola ny olona hoy ny filazan’ny mpivarokena iray tao Antsenakely, asa ! mety vokatry ny krizy angamba hoy hatrany ny filazany. Na dia tamin’ny taom-baovao aza dia tsy nandeha ny varotra, nihen-danja isan’andro ny hena vidin’ny mpanjifa. Amin’izao fotoana zara raha mividy hena 250G ny olona, misy mihitsy aza ireo mividy hena 500 ariary. Iray ao anatin’ny folo miantsena hoy hatrany ity mpivarotra no mba mividy hena iray kilao, ny hena omby no resahina eto. Raha mahalafo hena hatramin’ny 50 na 60 kg ny mpivarokena iray taloha ao anatin’ny iray andro, ankehitriny tsy mahalafo afa tsy 20 kg. Toy izany koa ny akoho, na akoho gasy  amin’ny kilao io na irony akoho fakana nofo irony raha mahatratra  20 no lafo taloha; ankehitriny tsy misy afa tsy 6 sisa. Tsy ny mpivarokena ihany no tratran’ity tsy fisian’ny mpividy  ity fa na ireo mpivarotra sakafo manodidina ny tsena aza dia miahaka ihany koa amin’ny tsy fandehanan’ny varotra, ireo mpivaro hani-masaka izay mpividy hena ambongadiny sy be indrindra amin’ny mpivarokena. Asa rahoviana vao hiverina indray ny vidin-tsakafo zakan’ny rehetra.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser