Jiolahy miisa enina mirongo fitaovam-piadiana no nanafika Ramatoa mpivarotra mipetraka ao amin’ny fokontany Ambodiara, kaominina Antsenavolo, distrikan’i Manajary ny 25 jolay lasa teo. Norobain’ireo mpanafika tamin’izany ny vovoka volamena 06 grama sy vola 500 000 ariary ary entam-barotra maromaro. Tsy vitan’izany fa lehilahy 44 taona sendra nifanena tamin’ireo jiolahy no niharan’ny vono sy ratra nataon’ireo olon-dratsy ireo nandritra io fanafihana io. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny zandary rehefa naharay izany vaovao izany saingy tsy mbola nisy tratra ireo nahavanon-doza.
T.M.