- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversAntsenavolo Mananjary : Voatafika ny biraon’ny Paositra, lasa ny « coffre »

Antsenavolo Mananjary : Voatafika ny biraon’ny Paositra, lasa ny « coffre »

Efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka momba ity fahaverezam-bolam-bahoaka ity moa ny zandary avy ao Mananjary. Raha ny loharanom-baovao voaray farany, dia efa misy olona ahiahiana amin’ity heloka bevava ity, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Vaky nandritra ny fanafihan-jiolahy nitranga, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony tamin’ny 11 ora, ny « coffre »-n’ny Paositra Malagasy ao Antsenavolo, distrikan’i Mananjary, ka very tamin’izany ny lelavola 65 tapitrisa ariary. Raha ny nambaran’ny Reseveran’ity Paositra ity, Julliot Nandrosoana : « Nongotan’ireo jiolahy voalohany ny varavaran’ny trano efa antitra mifanatrika amin’ny farafara hatoriako. Taitra aho naheno feo ka niarina, nefa roa lahy mitazona « torche » sy antsy lava lela miendrika sabatra no teo akaiko. Notsiloviny ny masoko ka tsy nahita ny endrik’ireo olon-dratsy mihitsy aho. Aza miresaka, hoy izy, aiza ny lakilen’ny « coffre » ? Tsy aty amiko hoy aho. Nitodika tamin’ilay namany fahatelony izy izay manana lakilé ka niteny hoe : amboary malaky ary ! »

Nanamafy ity mpiasam-panjakana ity nampita ny vaovao tamin’ny mpanao gazety, fa nisy jiolahy roa hafa niresaka tao an-tokotany, ka niteny ny iray : « vita ve ? Malakilaky », dia namaly ilay tao amin’ny birao namoha ny fitoeram-bola sady naka ny vola rehetra, hoe : « vita ». Efa dify lavidavitra ireo mpandroba vao afaka niantso vonjy sady nihazakazaka nankany amin’ny biraon’ny zandary ity solontenam-panjakana. Rehefa nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana, dia nisy etona nanempotra be tsy zaka nidirana tao amin’ilay birao misy ny « coffre » vaky, ary tavela teo ny fanalahidin’ny fitoeram-bola efa nisokatra, tsy nisy vola intsony tao anatiny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici