- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntseranampasika Toamasina : Cash point voaroban’ny andian-jiolahy, lasa ny vola 16 tapitrisa...

Antseranampasika Toamasina : Cash point voaroban’ny andian-jiolahy, lasa ny vola 16 tapitrisa ariary

Raha mbola tsy fantatra ny tena marina momba ireo andian-jiolahy valo nanafika ny ny Cecam Ankirihiry avaratra, na voalaza aza fa misy firaisana tsikombakomba tamin’ny mpiasa tao anatiny ihany ny zava-nitranga, dia ny 01 volana aprily teo, tsy fetin’ny lainga akory, dia nisy mpivarotra fahana sy mpanao ireny “mobile money” ireny handeha hanatitra ny vola matiny no tratran’ireto andian-jiolahy efatra tsy nisaron-tava sy nitondra moto ary nirongo basy PA ireto tao Antseranampasika, raha iny izy haka “Tuc’Tuc” iny indrindra tokony tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Vola mitentina 16 tapitrisa ariary miampy ireo fahana samy hafa no very nandritra izany, araka ny fanazavana azo. Raha ny angom-baovao natao dia avy nanangona ireo vidina fahana sy vola azo tamin’ny fanaovana ny “mobile money” azy maromaro tao Antseranampasika ity raim-pianakaviana ity no haka “tuc-tuc”, saingy vao tafiditra izany ny tenany dia nambanan’ireo andian-jiolahy efatra ny basy nitakiana ny vola teny aminy. Vokatry ny tahotra sy ho fiarovany ny ainy dia nanolotra ilay sakosy teny aminy misy ny vola ilay raim-pianakaviana, ary raha vao nahazo izany ireto andian-jiolahy dia lasa nanao taingin-droa tamin’ireo moto roa nentin’izy ireo. Tsy nisy afaka nanao na inona na inona na ilay raim-pianakaviana tompony, na ilay mpamily ny “tuc-tuc” nandritra izany. Marihina fa tsy nanapoaka basy ireto andian-jiolahy nandritra izany. Niezaka niantso mpitandro filaminana ihany ilay tompom-bola saingy efa tsy nisy azo natao intsony satria efa tsy hita ny nalehan’ireto andian-jiolahy efatra nanafika ny vola 16 tapitrisa ireto.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici