mercredi, avril 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiafabositra-Maevatanàna : Mpianatra maromaro ao amin'ny EPP,CEG, Lycée no nihetsika am-balavelona

Antsiafabositra-Maevatanàna : Mpianatra maromaro ao amin’ny EPP,CEG, Lycée no nihetsika am-balavelona

Nanaitra ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny olona tsirairay avy, ao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny nahita ireo mpianatra ao amin’ny CEG sy Lycée nihetsika am-balavelona ny herinandro lasa teo iny. Ny Atalata faha 18 Marsa taona 2025 teo ihany koa dia nahitana ankizy mpianatra tratran’ity aretina hafahahafa ity indray ny tao amin’ny EPP, any Antsiafabositra. Maro ireo ankizy mpianatra no tsy namonjy sekoly, rehefa nahita ny naman’izy ireo mirifadrifatra sy miantso mafy tao an-tsekoly. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa maro ireo ankizy mpianatra no voan’ny aretina am-balavelona. Nohon’io trangana io dia nanatanteraka fivoriana niarahana ny Ray aman-drenin’ireo mpianatra sy ny tompon’andraikitra any an-toerana, ary ireo mpampianatra mba hitadiavana vahaolana malaky, amin’ity am-balavelona ity.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici