- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiafabositra : Raim-pianakaviana iray voatiftry ny jiolahy, mbola miady aman’aina

Antsiafabositra : Raim-pianakaviana iray voatiftry ny jiolahy, mbola miady aman’aina

Tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ampiasavakaratra, kaominina Antsiafabositra, disitrikan’i Maevatanàna indray no notafihana jiolahy enin-dahy nitondra basy Kalaky iray, ny alatsinainy 19 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny  7 ora hariva. Nirefodrefotra ny basy teo an-tanàna talohan’ny hidiran’ireo malaso tamin’ilay trano, mba tsy hivoany manodidina. Raha vao nandre izany anefa ny tao an-trano dia tsy nasahy nihetsika. Arakan y fanazavana voaray avy any an-toerana, dia lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola maromaro entina hadanjana volamena any Andriba sy ny vovoka volamena. Voatifitra teo amin’ny fony kosa ilay rangahy antsoina hoe José izay  vadin’ny  mpandanja volamena , ka naratra mafy vokatr’izany. Nalefa haingana any Antananarivo ny alin’ny Alatsinainy teo ihany ilay raim-pianakaviana voatifitra, izay mbola miady aman’aina. Rehefa nataon’ny miaramila sy ny fokonolona teo an-tanàna moa ny fanarahan-dia ireo jiolahy, dia hita fa nitsofoka tamin’ilay tanàna keli iray antsoina hoe Tsararano, kaominina Andriba ny diantongon’ireo malaso nanao fanafihana, izay miteraka resabe aloha hatreto ny fisian’izany any an-toerana. Ny Zandary avy ao Antsiafabositra kosa no mandray an-tanana ny raharaha.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici