Ny alin’ny alakamisy teo no nitrangan’ity loza ity. Sambo mitondra solita 10 000 M3 izy io , handeha hamatsy ny Antsiranana. Tsy fantatra hatramin’izao ny tena antony nampiantona azy . Rehefa nojeren’ireo avy tamin’ny” base navale” eto Antsiranana dia mikasika tany ny lohan’ilay sambo ary mitsingevaeva kosa ny any amin’ny vodiny. Sambo MT Troxo no anarany. Eo amin’ny 250 m hidirana ny vavalapasy , helidrano hidirana eto Antsiranana no nampiantona azy. Manana halavany 120 m ity sambo ity.
Tsy azo kasihina ny sambo. Raha naheno ny antso vonjy ny tao amin’ny base naval eto Antsiranana dia nitady hevitra ny hisintomana azy. Manoaka “recquisition” ny avy tao amin’ny faritra mba ahafahany miasa. Teny antenantenany dia nisy nanakana izany. Amin’izao dia miandry ny baiko avy amin’ny mpanone baiko ihany ny tantsambo Malagasy eto Antsiranana. Araka ny vaovao azo tamin’ny lehiben’ny faritra Diana ny Col Maevalaza dia efa tonga eto Antsiranana , ny tompon’ilay sambo miaraka amin’ireo teknisianina handinika ny raharaha. Izy ireo ihany no hitady hevitra hisintomana ilay sambo araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra voalohany ato amin’ny faritra Diana ity.
Tsy mbola misy zavatra mampatahotra hatramin’izao. Raha ny fanazavana azo dia tsy mbola misy atahorana ny haverezan’io solika 10 000M3 io, satria sosona roa ny vatan’ilay sambo. Marihina fa “pretrole domestique” no entin’io sambo io ka tsy atahorana ny hisian’ny “mer noire”. Io no nambaran’ny capitaine de vaisseau Vaohavy Andriambelonarivo Andasy, comandin’ny base naval eto Antsiranana. Fa tokony hisy fepetra haingana kosa no hiraisina mba tsy ahasimban’ny helidranon’Antsiranana raha sanatria ka misy vaky ilay sambo. Ireo teknisianina aty an-toerana dia mitebiteby amin’io sambo io, fa ny tompon’ny sambo indray dia sahy milaza fa tsy olana ny amin’io. Araka ny resaka nataon’ireo tompon’ny sambo ihany tamin’ny lehiben’ny faritra DIANA dia amin’ny alarobia izao dia ho tonga eto Antsiranana ireo fitaovana rehetra ilaina hisintomana io sambo miantona io. Ho hita eon y tohiny.
V.JCL