Entana mitotalim-bidy 4 tapitrisa ariary no nanjavona nisy nandroba tao anaty kamiao, tao Mandray Antsirabe ny alin’ny Alakamisy teo.
Ankeviny efa nandrasan’ireo jiolahy mihitsy ny fandalovan’ity kamiao lehibe iray mpitondra entana tao Mandray ity. Nisy olana rahateo ilay fiara, ka maty an-dàlana, ny lalana moa efa mampiteny ny moana raha teo ny fahapotehany sy ny haratsiany. Io no nohararaotin’ireo andian’olona manodidina ny roapolo isa raha ny fitantaran’ny loharanom-baovao. Torahan’ireo jiolahy ilay kamiao, ka vaky ny fitaratra, norahonany tamin’ny basy ilay mpamily sy ny olona tao amin’ilay fiara lehibe ; izay voalaza fa miisa sivy teo ho eo. Nofatorany ireo olona ireo, nanarampo ireo andian’olona nitaona ny entana rehetra tao anaty fiara izay marihana fa PPN avokoa. Tao ny : menaka, savony, vary siramamy amin’ny gony sns… saika hamonjy tsena tao Ambatomena mantsy ity fiara ity omaly zoma 20 martsa teo . Ankoatra izay, mbola nosavainy tsirairay ireo olona tao anaty fiara, ka nahazoany vola 2 hetsy ariary ihany koa. Nisy tamin’ireo entana no tsy zakan’ireo mpandroba ka nariany teny an-dàlana. Tonga nanao ny fizahana teny an-toerana ny mpitandro filaminana, efa misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.