- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ady amin’ny zava-mahadomalina

Antsirabe : Ady amin’ny zava-mahadomalina

Mbola mitohy ny hetsika entin’ny sampandraharaham-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Vakinankaratra hiadiana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy fijangajangana mahazo ireo tanora. Fantatra mantsy nandritra ny tafa nifanaovan’ireo delegasion’ny sampandraharaha eto Vakinankaratra notarihan’ny talem-paritra  fa ireo tanora mbola erotrerony manodidina ny 14 ka hatramin’ny 17 taona no tena azon’ity fitaoman-dratsy ity.

Isan’ny voaresaka sy voakasika matetika ny fikorontanan’ny tokantrano amin’ireo tanora vao manorina izany, na ireo efa tranainy. Entina manampy ireo tanora hatrany, ny fikambanana karateka Sotokan Bido Maka dia hanao seminera manokana miaraka amin’ny zoky Eddy, “Vonjeo ny fianakaviana”. Omaly 12 aprily tao amin’ny efitrano lehibe Katolika  Andraikiba manomboka amin’ny 4 ora hariva no nisy ny fanentanana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser