- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : « Aide chauffeur » maty voapotsitry ny « camion »

Antsirabe : « Aide chauffeur » maty voapotsitry ny « camion »

Loza mahatsiravina no nitranga teo Ambano, Antsirabe II, ny tolakandron’ny talata lasa teo. Tovolahy iray no naratra mafy ary niafara tamin’ny famoizany aina, rehefa voapotsitra teo anelanelan’ny fiarabe anankiroa. Mpanampin’ny mpamily izy io ary teo am-panaovana ny asa, nanampy ny mpamily hanao haka « parking » izy no izao niharan-doza izao. Raha ny zava-niseho dia mety tsy henon’ingahy mpamily ny « aoka », « aoka » taoriana tao fa nanohy ny fihemorany ihany ity farany. Nikasa ny hijanona taorian’ny fiarabe iray teo alohany mantsy izy ireo tamin’izany. Niezaka nanao « manoeuvre » ny mpamily hampiditra ilay fiarabe amin’ny alalan’ny « creneaux ». Ilay « aide-chauffeur » no nivoaka ary nanao « guide ». Mety nanery loatra ingahy mpamily tamin’izay fotoana izay, ka tsy tazany intsony fa efa nikasoka tamin’ilay fiara teo akaikiny ny fiarany. Ary tratra tao anelanelany ilay ni « guide » azy. Raha ny tsy ny kiakiakiaka ny olona nahita ny zava-nisy, tsy nahataitra ny mpamily. Indrisy fa efa ilay tovolahy nihoson-drà sisa no hita. Naratra mafy ity farany, hoy ny vaovao ary fotoana fohy monja taorian’izay dia tsy tana intsony ny ainy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny mpitsabo, nijery ifotony ny zava-nisy. Nentina notanana avy hatrany natao famotorana moa ilay mpamily ary hatolotra ny Fitsaràna aorian’ny fakàna am-bavany azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici