Zavatra niseho tsy mampino ary maro ny olona miara-mipetraka amin’ilay zazalahy no tsy mino izany. Voarohirohy ity zazalahy 6 taona fa nanolana zazavavy 11 taona ; tranga niseho tao Antsirabe Ambodilazana. Notakian’ireo ray aman-drenin’ilay zazavavy 11 taona vola mitentina 500.000 Ariary ny ray aman-drenin’ilay tovolahy 6 taona vokatra izany. Mpiara-milalao ireto zaza ireto, saingy tratra izao fitarainana fanolanana izao indray. Mitaraina ireto farany satria raha ny fahitana ny raharaha dia tsy mitombina hoe zazalahy 6 taona hanolana zazavavy 11 taona izany. Amin’ireto ray aman-drenin’ilay tovolahy dia fitakiana vola tsy ara-dalana izao zava-mitranga izao. Milaza ny hitory any amin’ny mpitandro filaminana izy ireo, satria raha ny marina dia izy zazavavy 11 taona no nanolana ny zanaka izy ireo lahy izay mbola 6 taona. Ho eo ny tohin’ity raharaha fanolanana ity tsy ho ela.
Malala Didier


