Saika efa tapitra simba avokoa raha ny lalana eto Antsirabe ambonivohitra indrindra moa fa ireo mampitohy amin’ny kaominina manodidina dia efa mampiteny moana tokoa raha ny faharatsiany.
Tsy dia misy loatra raha ny fanamboarana na fikojakojana ireny lalana fampiasam-bahoaka ireny fa dia miaritra ny mafy sisa no azo hambara, manginy fotsiny ny vola lany amin’ny fikojakojana ny fitaovam-pitanterana na fiara izany na ireo kodiaran-droa eny fa hatramin’ny cyclo posy dia mitondra faisana avokoa amin’ny faharatsian’ny lalana.
Na izany aza, efa nisy ihany ny fanamboaran-dalana tato ho ato saingy toa mipasoka ny efa malama ihany raha ny fahitana azy satria ilay lalana tara tsara tarehy indray no notsindriana tara vaovao ka nanjary mikitaontaona be toy ireny mizotra amin’ny lalana vita amin’ny rarivato ireny , tsy aiza izany fa ny lalam-pirenena faha 34 mandalo ampovoan-tanana iny.
Ankoatra izay dia efa maro be amin’ny lalana eto ampovoan-tanana moa no navadika rarivato peteta-toko ka fahoriana ho an’ny mpampiasa azy no mandalo amin’ireny lalana rarivato mikitaontaona ireny. Fantatra anefa fa mbola hitohy ihany ity fanamboarana ny lalana ho rarivato ity eto antsirabe ambonivohitra sy ny manodidina. Isan’izany ny lalana Ambohimena mihazo an’i Mahazina , mitohy mihazo an’Ambavahadimangatsiaka. Marihina fa ity lalana ity dia efa navadika ho rarivato ny ilany tsy simba saingy mbola tara kosa ny ampahany sasany saingy izao avadika ho rarivato izao avokoa.
Misy amin’ireo asa no iandraketan’ny Ministeran’ny asa vaventy misy ihany koa ny an’ny fiadidina ny faritra Vakinankaratra sy ny fiadidina ny tanan’Antsirabe
Andry N.