- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANTSIRABE AMBONIVOHITRA / Nametrahana ny holafy mpamonjy voina faha 5 eto amin’ny...

ANTSIRABE AMBONIVOHITRA / Nametrahana ny holafy mpamonjy voina faha 5 eto amin’ny Nosy

Ela ny ela fa tonga ary nomarihana omaly Alatsinainy 30 janoary 2023 teto Antsirabe ny fandraisana ireo fiara lehibe mpanomo afo miisa roa niampy Ambulance roa ary fiara vaventy iray sy “remorque secours” iray  hafa miaraka amina karazan’entana ilaina amin’ny famonjena voina avy tamin’ny CASC ao Lyon France. Angady nananana sy vy nahitana ireo fitaovana raitra ireto ny ben’ny tanan’Antsirabe Rasamimanana Honoré na Dr Unoh tamin’ny fikarahom-bahaolana satria tanan-dehibe tsy nisy fiara mpamonjy voina teto hatrizay. Marihina fa fitaovana vaovao izy ireo, efa vonona ihany koa ny miaramila hiasa ao anatin’ity sampana vaovao izay apetraka eto Antsirabe ity.

Ankoatra izay dia notokonana omaly ihany koa ny caserne na Unité de protection civile nahorina ao amin’ny sampandraharaha teknika na voirie eto Antsirabe, sy ny fametrahana tamin’ny fomba ara miaramila ny Holafy mpamonjy voina,  ity no Holafy mpamonjy voina faha 5 na 5UPC   napetraka eto amin’ny firenena. Miaramila efa tsara hofana avy ao amin’ny CPC “Corps de protection civile” ao ivato no hiasa ao amin’ity sampana vaovao ity. Ao anatin’ny fibakoina miaramila ny Unité de protection civile izany hoe ny lehiben’ny CPC any ivato no lehibeny raha ny fanazavana.  Manana andraikitra lehibe ny CPC eo amin’ny famonjena voina sy famonjena aina ary izay no mampiavaka azy amin’ny “sapeur pompier” na mpamonjy afo tsotra araky ny fahafantaran’ny maro azy. 

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny fiarovam-pirenena Ny Jeneraly Rakonirina Richard sy ny minisitry ny fanajariana ny tany  Atoa Ramaholimasy Pierre Holder.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici