Nahatafintohina mafy ireo mpandeha avy any amin’ny faritra ka saika hiazo an’Antananarivo ny fepetra noraisin’ny mpiandro ny filaminana ny sabotsy 20 febroary teo. Isan’izany ireo izay avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy nosakanana tao Andranomanelatra, Antsirabe. Vao marina be tokoa dia efa niatrana teny an-toerana manaraka iny lalam-pirenena faha-7 iny ireo zandary ka nampijanona ireo fiara fitaterana rehetra handeha hiakatra aty Antananarivo. Nahagaga ny maro izany tranga izany. Tsy vitsy no nanontany hoe miverina indray angaha ny hamehana ara-pahasalama noho ny Covid-19 ao Andrenivohitra ao ? Ireo izay nahalala kosa dia tezitra ka nanaome tssiny avy hatrany ny fitondram-panjakana naka izao fepetra izao. Araka ny fantatra mantsy, raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana nanao ny sakana tao Antsirabe, dia baiko avy any ambony hono no nahatonga azy ireo nanao izao fanakanana izao. Natao izao noho ny fisian’ny hetsika nataon’ny mpanohitra ny fitondrana mivondrona ao amin’ny Miara-manonja teto an-drenivohitra io andro sabotsy io. Ireto farany izay niomana ny hiakatra ny kianjan’ny 13 mey rehefa tsy nomena ny kianjan’Ambohijatovo. Maro tamin’ireo mpandeha natao fahirano tao Antsirabe ireo no nimenomenona sy nitaraina fa hoe very fotoana fotsiny, nefa dia zava-dehibe sy maika no anton-dian’izy ireo aty Antananarivo. Nisy ihany koa ireo nilaza fa efa voafetra ny vola teny am-pelatanany satria tokony hisakafo antoandro aty an-drenivohitra fa tsy nihevitra ny hanao fandaniana hafa teny an-dalana. Indrisy anefa fa dia notazonina tao Andranomanelatra nandritra ny andro tontolo izy ireo. Raha araka ny fantatra dia efa taolakandro mihitsy vao navela nandeha ireo fiara nosakanana ireo. Izany hoe raha tsorina dia nandrasana efa tsy nahiana hisy ilay hetsika kasain’ny mpanohitra hatao vao novahana ny sakana. Tezitra ireo mpandeha ireo satria nahatsapa fa voahosihosisy tateraka ny zo maha olom-pirenena azy ireo. Zo hivezivezy malalaka eto amin’ny taniny. « Raha izaho manokana aloha dia tsy miditra amin’izay adilahy politika any fa ny tena mampahalahelo ahy dia ny fihetsiky ny fitondram-pankakana izay lasa manohintohina ny fahafahan’ny olom-pirenena », hoy ny filazan’ity mpandeha iray. Aleo dia tsorina fa izahay akory tsy hoe handeha hamonjy izany ketsiky ny Miara-manonja izany ka nampijaliana toy izao, hoy ihany izy nanamafy ny teniny. Tsy teny amin’ny RN7 ihany no nahitana sakana toy izao fa saika ireo lalam-pirenena rehetra hihazo ny renivohitra dia niharan’izany avokoa, raha tsy hilaza afa-tsy ny RN1 izay avy any Bongolava. Fiara maro sy mpandeha maro avy amin’iny faritra andrefana iny no voatazona tao Analavory. Nitaraina daholo ireo olona ireo ary tsy vitsy no nilaza fa sarotahotra loatra ity fitondrana ity ka mety vao mainka hampitombo ireo mpanohitra azy izao fihetsika izao.
T.M.