Teo am-pandrarahana fanafody tao an-trano ity ankizy vavy kely iray vao 13 taona monja no tratran’ny mpampiasa azy. Fantatra fa izany ody ratsy bekorotona izany no nafafiny tao an-trano, ity ody gasy ity izay voalaza ho manakorontana sy mandrava tokantrano mihitsy. Tsy vitan’izay fa saika handraraka fanafody amin’ny sakafo io zaza io saingy tsy nanao ity farany noho ny fahatahorany sao hiantefa any aminy koa ny ody ratsy, satria sakafo iray ihany no iraisan’izy ireo. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa ny anabavin’ilay rangahy ihany no naniraka azy hanao izao famosaviana izao. Ankoatra izany anefa dia efa tena matihanina amin’ny famosaviana sy fivoahana alina ity zaza vavikely ity. Raha ny fantatra dia lova avy tamin’ny renibeny no nahazoany io ody ratsy aminy io. Voalaza fa nampidiran’ny renibeny tapakazo teo amin’ny ankihiben-tanany sy ao akaikin’ny sorony ka io no mitarika sy mitondra azy mivoaka alina. Araka ny angom-baovao hatrany dia miova ho mena ny mason’ilay zaza rehefa hivoaka alina izy ary mihalava ny hohony. Eny amin’ny fasana no toeram-pilalaovany miaraka amin’ireo mpamosavy namany. Raha sendra olona izy ireo amin’izany dia ny lela no asain’ilay fanahy ratsy alaina. Avy any Mandoto no fiavian’ity ankizy vavikely ity, nalefa eto Antsirabe izy mba hialany amin’izany fivoahana alina izany, kinanjo tafaraka tamina mpamosavy hafa ka izao tra-tehiky ny mpampiasa azy izao. Nametraka fitoriana ny mpampiasa azy, taorian’ny fanadihadiana sy ny fiakaran’ny raharaha tamin’ny ambaratonga tsirairay dia nalefa eny amin’ny trano fanarenana ireo ankizy tsy ampy taona io ankizy kely mivoaka alina io, ilay namany kosa nahiditra am-ponja vonjimaika. Fantatra fa saika nalefa tao amina toby iray ana-fiangoanana ity zaza mivoaka alina ity saingy nolavin’ny tompon’andraikitra.
Andry N.