- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversANTSIRABE :  Association RAK ROOTS hamaoaka ny sangan’asany

ANTSIRABE :  Association RAK ROOTS hamaoaka ny sangan’asany

Iray volana latsaka herinandro izao no nahalasa an’ilay mpankanto malaza avy eto Antsirabe I RAK Roots. Mbola tsy mikatona ny fery mbola mavesatra ho an’ny rehetra ny fahalasany indrindra fa ho an’ny ankohonany sy ny fianakaviany. Tsy mora ny fisarahana fa tampoka, tamin’ny fotoana tsy nampoizina no nahalasany na dia fantatra aza fa nisy aretina nitaiza izy dia hainy ny nitondra izany ary tafavoaka foana hatrany izy hatrizay. Na dia mafy aza ny fisarahana dia mitohy ny fianinana hoy Ny Aina Rakotonirina rain’i RAK Roots ary efa mitsanga ara-panjakana ankehitriny ny Association RAk Roots, taratasy fanamarinana na récépissé avy amin’ny fanjakana sisa andrasana. Ity fikambanana ity no hanohy ny asa sosialy fanaony ary indrindra hamoaka ny sangan’asany izay tsy mbola nivoaka na eto an-toerana izany na any am-pita. Mbola maro hoy ny rain’i RAk Roots ny hira noforoniny no tsy mbola nivoaka, tsy mbola heno, ezahina ny hamoahana izany tsikelikely ka ny fikambanana no hiandraikitra azy. Mazava ho azy fa ny fianakaviana no mandrafitra ny mpikambana ao amin’ny association RAK Roots  sy ny ekipany saingy afaka miditra mpikambana avokoa izay maniry hiditra amin’izany.

Andalam-pikarakarana ny fampisehoana goavana hiarahana amin’ny mpanakanto maro  hatao manoloana ny gara eto Antsirabe ny Association Rak Roots amin’izao, hatao ity fampisehoana ity ho fahatsiarovana ny taona nahaterahan’I RAK Roots ny datin’ny 30 Oktobra raha toa ka ny 25 Oktobra no tena daty nahaterahany.

Tsy mitsahatra ny fianakavain’I RAK Roots mamerina  ny fisaorana ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, ny fanjakana, ireo tapaka sy namana, mpanakanto sy fianakaviana eto an-toerana hatrany ivelany tsy mitsahatra hatramin’izao mandefa hafatra ho fampaherezana hoy hatrany ny rain’i RAK Roots.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici