- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Atrikasa hitantanana ny sehatry ny harena anaty rano sy ny...

Antsirabe : Atrikasa hitantanana ny sehatry ny harena anaty rano sy ny jono

Tontosaina eto Antsirabe mandritra ny roa andro, ny atrikasam-pirenena momba ny fandaminana ny paikadim-pirenena ho fanangonana ny antontan-kevitra ho fampiroboroboana ny harena anaty rano sy ny jono na an-dranomasina io na an-dranomamy.

Ankaotra ireo talem-paritra 22 manerana ny Nosy manatrika ny atrikasa, dia isan’ireo mandray anjara amin’ity atrikasa ity ihany koa ireo mpisehatra eo amin’ny fiompioana trondro sy ny harena anaty rano.

Tonga nanokatra tamim-pomba ofisialy ny fotoana, ny minisitry ny harena anaty rano sy ny jono Gilbert François, ny alakamisy 19 May 2016 teo, tao  amin’ny Hotel Diamant. Haharitra roa andro ity atrikasa ity, tanjona amin’izany ny  hahafahana mahazo paikady hentina hampandrosoana ny sahatry ny jono sy  fanangonana ary fanapariahana antontan-kevitra sy fandinihana mialoha amin’ny fananganana ireny ivon-toeram-piofanana natokana ho an’ny jono ireny.

Voakasik’izany avokoa na ny jono an-dranomasina na ny jono an-dranomamy.

Nahazo tombony manokana ny faritra Vakinankaratra nadray ity atrik’asa ity noho ny maha renivohitry ny rano azy, ary tsy vaovao eto Vakinankaratra  ity sehatra ity, nanamafy izany rahateo ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra nilaza fa kitro ifaharan’ny olona rehetra ity jono ity ao anatin’ny 20 taona ho avy, eo amin’ny lafiny sakafo.

Mba hifanaraka amin’ny fitombon’ny mponina ny filana, dia mila mamokatra mifanaraka amin’izay isika ka paikady entina  ny fananganana ivon-toeream-piofanana manerana ny Nosy, fa tsy ampy ny fomba nentim-paharazana mahazatra, ary mila manaraka ny firoboroboan’ny teknolojia isika hoy ny minisitra Gilbert François .

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici