- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE :  Bajaja ampolony maro nogiazana

ANTSIRABE :  Bajaja ampolony maro nogiazana

120 isa ireo Bajaja eto Antsirabe ( sary :Andry N)

Voatery nogiazana ny ankamaroan’ny Bajaja miasa eto Antsirabe noho ny tsy fanarahan-dalana. Folo isan-jaton’ireo Bajaja miasa eto Antsirabe renivohitra no mba manara dalàna araky ny antontan’isa navoakan’ny teo anivon’ny foibe fitsarana fiara kodia. Saika mbola mitondra ny laharana wwt avokoa ireo Bajaja ireo. Araky ny lalana misy anefa dia tsy tokony hiasa mihitsy ireo Bajaj ireo raha tsy vita “reception technique” ka mahazo carte grise vaovao sy ny taratasy rehetra ilaina afahany miasa hoy GPC Randriamitovo Andrianaraniaina Davidson lehiben’ny ivo-toerana fitsarana fiara kodia eto Antsirabe.

Bajaja ampolony maro mitondra ny laharana wwt noho izany no voatery nogiazana ary tsy nogiazana eto amin’ny kaominina Antsirabe izy ireo fa any amin’ny kaominina hafa, fantatra mantsy fa  tale kabinetra iray no voantonona ho miaro ireo Bajaj tsy manara dalàna ireo.

Isan’ny tsy fanarahan-dalàna miseho matetika amin’ireo Bajaj ihany koa ny fitondrana olona mihoatra ny tokony ho izy sy ny fitondra oloana apetraka eo akaikin’ny mpamily izay mety hiteraka zava-doza ho an’ny mpandeha. Tokony hanana taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara na permis B ny mpamily Bajaj, fantatra anefa  fa misy amin’izy ireo no tsy manana izany  na dia permis A aza.

Mitondra tombontsoa lehibe  ho an’ny kaominina ny fanarahan-dalan’ireo Bajaja ireo ka tokony hojerena akaiky, ary tsy handefitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny eo anivon’ny fitsarana fiara kodia raha ny fanazavana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici