Lehilahy manodidina ny 40 taona, niaraka tamina basy lava iray indray no saron’ny polisim-pirenena avy eto Antsirabe, ny talata mialoha ny fetin’ny faran’ny taona lasa teo.
Nahitam-bokany indray noho izany, ny hetsika fanaon’ny polisy indrindra tao anatin’ny fety toy ireny. Nandritra ny fisavana fanao amin’ireo fiara mivezivezy mampitohy ny distrika manodidina eto Antsirabe mantsy, no nahatratrarana io basy io. Fiara iray mpitondra mpandeha avy any Mandoto no nahitana azy. Nambaran’ny kaomisera Alain Ramiaramanana fa, avy any amin’ny kaominina Ambatomifanongoa distrikan’Ambatofinandrahana no niavian’io basy io ary nokasaina hamidy tao Miandrivazo sy Mandoto, saingy tsy lafo ka saika haverina any amin’ny toerana niaviany indray. Fantatra araka ny fanazavana hatrany, fa basy fampiasan’ireo dahalo io basy lava io ary ao Ambatofinandrahana no misy ny fanamboarana azy.
Mbola maro ireo basy miparitaka eto Vakinankaratra, raha ny fanazavana hatrany ka hanentanan’ny kaomisera divizionera Talily Damy, izay manana fanampim-baovao rehetra mba hampilaza ny polisy na izay manampahefana akaiky azy, fa tazonina ho tsiambaretelo izany. Vao tsy ela mantsy izay no nahatraran’ny polisy basy poleta vahiny telo teto Antsirabe, niaraka tamina bala 62 .
Andry N.