lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Basy vita gasy saika hamidy 7 hetsy ariary saron’ny polisy

Antsirabe : Basy vita gasy saika hamidy 7 hetsy ariary saron’ny polisy

Isan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalana sy ny fitazomana fitavaom-piadiana mehery vaika tsy nahazoana alàlana. Basy gasy vita iray no saron’ny polisy teto Antsirabe tamin’ny Alarobia faha-20 Aprily lasa teo. Olona tsara sitra-po no nahalalan’ny mpitandro filaminana fa misy mikasa hamarotra basy tao Andranonahoatra. Ity toerana ity izay voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana raha eto Antsirabe amin’ny resaka fanendahana sy vaky trano ary ny tonta kely. Niroso tamina velam-pandrika ny mpitandro filaminana taorian’ny fandrenesana ny vaovao rehetra ka nanao be midina teny amin’ny Andranonahoatra nikarotra ity olona voalaza fa hamarotra basy ity. Io alarobia io ihany dia sarona teny an-toerana tokoa ny lehilahy iray niaraka tamin’ilay basy vita gasy. Voasambotra niaraka tamin’ity farany ihany koa ny rahalahiny izay tsy nitsahatra niantso azy an-telefaonina niresaka io basy io. Nambaran’ireto voasambotra ireto fa mpivarotra fotsiny ihany no asany fa tsy mpanamboatra akory ry zalahy. Fantatra fa 7 hetsy ariary no saika hamarotany ilay basy saingy izao sarona izao. Mitohy ny fanadihadiana. 

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici