- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Bidon sy gony feno maloto, naparitaka eran’ ny làlana

Antsirabe : Bidon sy gony feno maloto, naparitaka eran’ ny làlana

Zava-doza no nitranga teto Antsirabe, maloto natao anaty « bidon » sy gony no nisy nanary tamina tobim-panariam-pako sy naparitaka eran’ny làlana.

Omaly alakamisy 22 janoary, no nisehoan’ity tranga maharikoriko ity. « Bidon » feno tay no nisy nanary tamina tobim-panariam-pako teo amin’ny fokontany Avaratsena. Am-polony ihany koa ny  kitapo gony feno maloto hita teny an-dàlana niparitaka sy nangonina tamina toerana iray tao Mahazoarivo. Nahatratra 40  ireo « bidon » feno tay hita teo amin’ny fanariam-pako tao Ambohimiandrisoa, nisy mbola misarona ary tsy vitsy koa ny misokatra. Marihana moa, fa noho ny fisavovon’ny fako eo amin’ity toerana ity, dia napetrak’ilay nahavanon-doza nanamorana ny làlana ireo  « bidon » am-polony maro ireo. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo no nisy nanary ireo « bidon » ireo, iny toerana iny izay  maizina tanteraka raha vao hariva ny andro noho ny tsy firehetan’ny jiro manazava ny làlana, ka mananaraotra ireo tontakely sy mpandika lalàna manao ny ataony.

Araka ny petadrindrina hita teo amin’ny sampandraharahan’ny « voirie » anefa, dia vao ny 20 janoary teo no naseho ireo lalàna dimy tokony harahina amin’ny fanariana fako, ka isan’izany ny tsy tokony hanariana zavatra hafa ankoatra ny fakofako ao an-tokantrano. Ity tranga ity anefa izay hita fa tena niniana natao mihitsy, azo lazaina aloha fa tsy olona sahirana no nahavanona izao loza izao, fa na ny vidin’ny « bidon » iray fotsiny aza dia mahatratra 1200 ariary araka ny fanadihadiana natao.  Tsy mbola nisy naka moa ireo « bidon » ireo hatramin’izao ora anoratanay izao, am-polony maro kosa no efa nalain’ny mpitsindroka sy 4ami, soa ihany fa noraran’ny fokonolona teo an-toerana ireo mpitsindroka tratra farany tsy haka ireo « bidon » feno maloto ireo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser