- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Bidon sy gony feno maloto naparitaka, tsy nisy ny fanadihadiana

Antsirabe : Bidon sy gony feno maloto naparitaka, tsy nisy ny fanadihadiana

Niteraka resa-be teto Ansirabe ilay bidon sy gony feno maloto niniana nariana tamin’ny toby fanariam-pako sy naparitaka eran’ny làlana,  ny faran’ny herinandro lasa teo.

Nanameloka tanteraka ny zava nitranga teto Antsirabe  ny sampandraharahan’ny voirie, sy ny mpiandraikitra ny fanadiovana ny tànana. Mitory tsy fahaiza-miaina sy fahambaniana toe-tsaina  ny fanariana maloto eny amin’ny toby fanariam-pako, hoy  ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny voirie.  Tsy midika akory izany fa tsy afaka manala maloto amin’ny tanànany izay te-hanao izany fa afaka  manatona  ny voirie kosa ireo izay mila  hevitra amin’ny toerana tokony  hanariana  ny maloto.  Fantatra mantsy fa efa manana toerana manokana hanariana ireny maloto ireny ny tanànan’Antsirabe. Manana fahasahiranana anefa ny kaominina amin’ny fahateran’ny fiara mpandroaka maloto, izay iray monja, ary tsy mifanaraka amin’ny ilain’ny mponina amin’izao fotoana rahateo intsony ny fitaovana ampiasana, indrindra amin’ireo toerana be mponina, satria maro ireo làlana no efa nananganan’ny olona trano. Raha tsiahivina, ny faran’ny herinandro teo no nisy bidon feno maloto mahatratra 40 isa no nisy nanary tamin’ny toby fanariam-pako tao Ambohimiandrisoa. Nisy ihany koa ny natao tao anaty gony ary naparitaka teny Mahazoarivo avaratra sy Antanimenakely. Tsy nisy moa ny fanadihadiana nisokatra  na ny fepetra noraisina manokana mahakasika ny olona mety  ho nahavanona  ity fihetsika mamohetra ity. Nionona tamin’ny fanadiovana sy fandrarahana fanafody  ny tompon’andraikitra. Antenaina fa tsy hiverina intsony ny tahaka izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser