- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : “Bira Mijoro”, nampahafantatra ny fisiany teto Antsirabe

Antsirabe : “Bira Mijoro”, nampahafantatra ny fisiany teto Antsirabe

Namory vahoaka sy ireo mpanohana ary mpiara-miasa aminy ny fikambanana Bira Mijoro eto Antsirabe. Tao amin’ny “le rêve “no nifanome fotoana ny mpikarakara, fotoana niresahana mivantana sy nifampizarana andraikitra ary fampahafantarana ireo mpikambana hoentina miatrika ny fifidianana solombavambahoaka. Nambara tamin’ny vahoaka  tamin’ny  fomba ofisialy nandritra ny fotoana, fa neken’ny CENI sy ny HCC ny filatsahan-kofidian’ Atoa Liva Rafanomentsoa ho solombavambahoaka eto amin’ny distrika Antsirabe voalohany. Marihina, fa misy 5 izany ireo kandidà hilatsaka eto Antsirabe voalohany ka mitana laharana faha-4 ny kandida atolotry ny Bira Mijoro. Notsipihan’ny kandida, fa fikambanana niforona avy tamina vovonana ny Bira Mijiro ka maro be ireo fikambanana miara-miasa aminy. Tsy miankina ny kandida, nambarany kosa fa misokatra amin’ny rehetra na ireo mpanao politika ny fikambanana nanolotra azy, raha misy ny fiaraha-miasa na fifanomezan-tanana. Efa mirotsaka eny anivon’ny fokontany ny Bira Mijoro amin’izao mampahafantatra ity fikambanana ity sy miasa eny anivon’ny fokontany eny.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici