Tsy vitan’ny mandroba ireo fitaovana mora alaina intsony ny jiolahy amin’izao eto Antsirabe fa dia ny fiara be mihitsy no misy maka ankehitriny. Bus iray mpitatitra eto Antsirabe no nisy naka ny alin’ny alahady hifoha Alatsinainy 19 septambra lasa teo tao Antsenakely. Nahagaga ihany ny nahevery ity “bus” ity satria dia eo ampovoan-tanana manakaiky ny tobin-tsolika mihitsy no nisy azy, marihina fa misy mpiambina mandra-marina ireny tobin-tsolika ireny. Tsy fantatra marina anefa izay tena niseho fa dia nanjavona teo ny “bus” be iray. Maraina vao nahatsikaritra ny tomponandraikitra fa tsy teo intsony ny fiara. Natao ny fampandrenesana sy fikarohana ka akory ny hagagana fa tany Sahanivohitry Manandona Antsirabe II no hita ilay “bus” ny marainan’io ihany, marihina fa efa voaendaka ny “pare brise” ny “batterie” sy izay mora nesorina rehetra, efa niboridana tanteraka ilay fiara raha ny fanazavana voaray. Tsy mbola nisy aloha hatreto ny voasambotra, efa nisokatra ny fanadihadiana.
Andry N.