“Tontolo iainana” no teny filamatra nosafinidin’ny federasiona Eropeana Soroptimist ho an’ny ity taona 2014 ity. Tsy miala ao anatin’ny tontolo iainana ny tarigetra ho club soroptimist eto Madagasikara fa nisafidy ny hoe “sekoly maitso” ihany koa. Ho fametrahana io teny filamatra io dia mikarakaraka fifaninana ny SIUM “Soroptimist International Union Malagasy ka izay sekoly mahazo ny laharana voalohany, izay voafidy ho maitso tsara indrindra dia hahazo valisoa. Ny EPP Antsoantany sy ny CEG Ambilombe no hisolo tena an’Antsirabe amin’ity sekoly maitso ity. Ho fanomanana izany, nanolotra fitaovana isan-karazany sy zava-maniry ho an’ny CEG Ambilombe ny club soroptimist Antsirabe ny Alarobia 30 Aprily lasa teo. Ankoatra izay dia niara namboly hazo sy voninkazao ny manodidina ny sekoly ihany koa ireo mpikambana niaraka tamin’ireo mpianatra nandritry io fotoana io. Karazam-boninkazo maro sy hazo fihanam-boa no novelena tamin’izany. Izany no atao mba hametrahana ny “sekoly maitso. Ankoatra izany, fitazaina ny ankizy ho tia fambolena ihany koa ny hetsika raha ny nambaran’I filohan’ny soroptimist Antsirabe Mme Lôlo, iaraha mahalala hoy ny tenany fa mpamboly sy mpiompy avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy rehetra. Marihina fa misy club 13 ny soroptimist eto Madagasikara amin’izao ka ireo no hitsidika ny sekoly mpandray anjara eto amin’ny Nosy manomboka ny faran’ny volana jolay. Tombony ho an’ny CEG Ambilombe no nisafidin’ny club azy ho mpandray anjara amin’ny sekoly maitso hoy ny talen-tsekoly, ity tale ity izay mpikambana ao amin’ny club soroptimist Antsirabe. Nambarany fa manomboka izao dia ampidirina ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny ankizy ny fikarakarana ny tontolo iainana ka hanokana ora iray isaky ny kilasy ny sekoly hikarakarana izany.
Andry N.