- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe - Club Soroptimist : Namoaka mpiofana andiany faha-19

Antsirabe – Club Soroptimist : Namoaka mpiofana andiany faha-19

Fikambanana iraisam-pirenena ny « club sorompimist » , misy sampana 13 eto amin’ny Nosy ka isan’ny izany ny « club soroptimist d’Antsirabe ». Fikambanam-behivavy izay mijoro hanampy sy hitondra   fampivoarana ny reny sy ny zaza izany, mba hananana olom-pirenena vanona sy mivoatra na eo amin’ny fianakavina izany na eto amin’ny firenena. Mba hanatrarana izany tanjona izany, dia misy hatrany ny fampiofanana homen’ny « club soroptimist » ho an’ireo  liana amin’ny fanaovana  mofomamy sy ny fahandroana sakafo ary ny fikarakarana tokantrano. Ho an’ity andiany faha-19 ity, dia teo amin’ny sehatry ny fanamboarana mofomamy no norantovin’izy ireo. Tamin’ny sabotsy 6 jona teo, no navoaka tamin’ny fomba ofisaly ity andiany ity ; izay misalotra ny anarana SARIAKA. Tao amin’ny Centre Monique Radera misy ny foiben’ny « club soroptimist » eto Antsirabe no nanatontosana izany. Nambaran’ny filohan’ny « club soroptimist » eto Antsirabe Rtoa Ratsima Ravaovololona  na i Mme Lolo, fa fampiofanana fototra no nomena ireo mpiofana fa anjaran’ny tsirairay kosa no manitatra izany. Misokatra ho an’ny rehetra ny fiofanana, ka ho an’ireo izay liana, dia afaka manatona ao amin’ny toerana misy ny foiben’ny « club soroptimist » manoratra anarana . Marihana fa voafetra ny toerana ary mirary dia mirary ny fandraisana anjara, noho izy izay atao hoe fanampiana ny daholo be izay. Fantatra fa efa misy ihany koa ny fiofanana ho an’ny vehivavy amin’ny zaitra, fikarakarana tokantrano sy fianarana teny frantsay. Mba hialana amin’ny mety ho fahasahiranana ao an-tokatrano, dia natokana mihitsy ny ora hanarahana ny fiofanana, hoy hatrany ny fanazavan’ny filoha.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser