- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Corail noir saika haondrana milanja 200 kg saron’ny zandary

Antsirabe : Corail noir saika haondrana milanja 200 kg saron’ny zandary

Corail noir na Tangoharake no fiantso azy amin’ny teny malagasy, harena an-dranomasina sarobidy ary voararan’ny lalana ny fitrandrahana azy no saron’ny zandary avy amin’ny BPR Antsirabe ny alin’ny Alakamisy hifoha zoma  tao Vinaninkarena.

Nandritra ny fisavana ny fiara mihazo ny lalam-pirenena fahafito iny no nahitana izao vokatra izao. Avy any Fort Dauphin no tena niavian’ireo Corail noir ireo fa nihodina tany Farafangana ny mpitondra azy mba hialana amin’ny sakana ary nihazo ny lalam-pirenena fahafito nefa izao sarona teto Antsirabe izao.

Olona iray no voarohirohy ho nitondra ireto corail noir ireto tamin’ny fiara fitateram-bahoaka manao zotra Farafangana Antananarivo. Dimy gony no isan’ireo corail noir ireo izay milanja hatrany amin’ny 200 kg mahery any ho any. Isan’ny harena an-dranomasina arovana nefa  misy mitrandraka an-tsokosoko izy ity efa hatry ny ela,nisy fotoana nijanonany nefa dia izao miverina izao indray. Lafo dia lafo ny iray kilao amin’izy ity satria mahatratra hatrany amin’ny 500.000 ar ka hatramin’ny 700.000ar ny kilao raha izy mbola tsy voavoatra iny tamin’ny taona 2014.

Hatolotra ny sampandraharahan’ny  jono eto Vakinankaratra ireo corail noir ireo aorian’ny fanadihadiana ary ity farany no mandray fanapahan-kevitra aminy.

Andry N. 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici