- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Cyclo-posy very, tratra tany Ambositra

Antsirabe : Cyclo-posy very, tratra tany Ambositra

Niangavy tamin’ny tompom-posy ity lehilahy iray hanofa cyclo posy mba hikaramany. Raha ny fantatra mantsy dia efa maro ireo tompon’ny posy no tsy manome azy intsony fa nalaza ho mpanendaka ranamana. Voalaza fa matory eo ambon’ny cyclo-posy no ataony rehefa antoandro ora fiasana, ary manendaka amin’ny alina. Mpampanofa posy eny Vatofotsy no hany nitsetra azy ka nanome cyclo-posy azy. Nandritra ny iray volana nety tsara ny fiaraha-miasa ary tonga manatitra ny hofam-posy foana ranamana. Tamin’ny alatsinainy teo anefa, niera tamin’ny “patron” izy fa hiasa alina, marihina moa fa mitombo ny hofan’ny posy rehefa mitombo toy izay koa ny ora hiasana. Tsy hita popoka izy nanomboka teo niaraka tamin’ny cyclo-posy, tsy niverina intsony. Natao ny fikarohana nampiarahina filazana tamin’ny mpitandro filaminana fa tsy nahitam-bokatra. Fiara iray mpitatitra manao zotra Ambositra-Antsirabe no nahatsikaritra fa hitany tany Ambositra ilay cyclo-posy very ary nampandre ny tompon’ny entana. Natao avy hatrany ny fisamborana ka noraisim-potsiny teo am-pirevena ranamana, nampirevy ireo namany mantsy ity izy fa nahazo karama hono rehefa niasa volana maromaro.

Efa eo am-pelatanan’ny polisy ao Ambositra ny raharaha amin’izao fotoana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser